<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Eo ankavanan-dRay Hianao, FFPM666</title>
<lyrics>[V1]
 Eo an-kavanan-dRay Hianao,
 Ry Zanakondry ô !
 Kanefa loza mahamay
 No niaretanao.
 Ny henatra aman-kelokay
 Nihatra taminao ;
 Nivesatra ny otanay
 No nahafatesanao.

[V2]
 Ry Zanakondry masina
 Nijaly an-tsitrapo,
 Teren'ny fitiavana
 Hanala otako !
 Ny tongotra aman-tananao
 Dia voafantsika ;
 Ny gadranay dia tapakao,
 Izay dia afaka.

[V3]
 Vahoaka alinalina
 Mitafy fotsy erý,
 Ka samy miramirana
 Mahita an'i Kristy.
 Ny hira fihobiana
 Manakoako ao,
 Maneho fa navotana
 Izao tontolo izao.

[V4]
 Indreo ny vahoakanao
 An-tapitrisany
 Mitondra ny Anaranao
 Eo an-kandriny.
 He ! toy ny rian-drano be
 Ny fiderana Anao,
 Voasokatrao ny lanitra
 Ho an'ny olonao.

[V5]
 Misaotra Anao izahay, ry Ray
 Izay navotanao,
 Natolotrao ho solonay
 Ny Lahitokanao.
 Ry Zanakondry, Avotray,
 Derainay Hianao,
 Derainay ho mandrakizay
 Ny fitiavanao !</lyrics>
<hymn_number>666</hymn_number>
</song>